4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mbola tena tia - DADAVY

Tato an-tsaiko dia ianao ianao ihany

nantenaiko ho anjarako eto an-tany

hay va re tany ambadika tany

misy ihany olon-kafa iarahanao



Tsy mbola tena tia ianao

matoa sahy manao izao

rehefa tena tia anie

mifampatoky tsara e

tsy mbola tena tia ianao

matoa sahy manao izao

rehefa tena tia anie

mifampatoky tsara e





izaho koa tsy dia sarotiny

raha izany no sitrakao fa mety

hitomany nefa no tanteraka

ny toloko tsy hataoko handreraka





tsy mbola tena tiako ianao

matoa tsy mitomany aho

rehefa tena tia anie

latsa-dranomaso be

tsy mbola tena tiako ianao

matoa tsy mitomany aho

rehefa tena tia anie

latsa-dranomaso be



3 taona lasa izay ianareo 2

no niainga hiara-dia hoe ho doria

ka izao sahady dia niady

izao ianao nitarainy fa noroahiny



tsy mbola tena tiany ianao

matoa ataony toy izao

rehefa tena tia anie

mifandefitra hatrany e

tsy mbola tena tiany ianao

matoa ataony toy izao

rehefa tena tiany anie

mifandefitra hatrany....

Partager tsy mbola tena tia

Commenter tsy mbola tena tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DADAVY