4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Finoana - Dillie

Samy manana ny finoany ny olona tsirairay

na iza izy na aiza izy ,dia mino azy ianao

ny finoana nofidianao tsy mitovy amin’ny hafa

manaiky ianao ary mankato ny lalan’ny finoanao



Mahaliana ny maro,mahavariana ny saiko

ka mba te-hanontany anao

ka iza no diso ,iza no ratsy,

ary iza no mahasoa

Maizina amiko ny marina ka mba lazao re

iza no tsara indrindra

ampio aho re hahafahako mifidy

sy mba hinoako tokoa



voalaza fa:

(refrain:)ny finoanao no hahavonjy anao

dia ho azonao izay rehetra ilainao

ka hiadana tsy hijaly intsony ianao

ka hiadana ho sambatra rahatrizay ianao



Hevitra maro no voalazan’ ireo olon-kendry teo aloha

ny tsara indrindra ny avo ao ambony no tsara iantefan’ny fo

mba tantano izahay ,ambeno avokoa

hanaraka ny lalanao

aleoko mino izany tena marina moa

tsy hanenenako rahatrizay



refrain*2

ny finoanao no ahavonjy anao

Partager finoana

Commenter finoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dillie