4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niriko foana - Diplomates

tera-tany toy ny zaza be mpaniry aho nisy mpiahy
dia izao misoratra eo an-kandriko eo ny ho aviko efa niova
be ray aman-dreny ankoatra ny orana nilatsaka
nanerika dia nierika aho fa mbola misy iriko toy ny hoe
raha misy vavaka tsy famaly avereno fa ny fo mazoto mihaino manan-droa'fa ny ory manan-jo'ny tsisy fintana aza mba nanjono
tsarovy fa azo arovana ny tany manan-jina
niriko tene tiko ny hanatanjaka ny saiko rehefa be loatra ny tsy haiko nefa ilaiko
niriko ny alitara'niriko ny andro tsara hamalifaly
fa arakaraka ny haben'ny nofy no hatongavan-dratsy
niriko foana ihany nefa ny hitomboan'ny mana
rehefa tsisy arapaka iny misy mamy tsy azo ialàna
irio izay tsy hitanao fa ny andro miova dia manozona
tsy ampoizina ny hamely fa ny rano aza efa poizina
ny fo io vato kely na tsy hita aza mandratra
mety hitsahatra ny hiteny rehefa manantena lava
fa vokatry ny fo no nitambaran'olon-droa
dia io nampisy trano mamy tao an-kibo tiany sahady
fa mafy tena mafy ny ady mandra-pisy vatana
tsy fantatra aza mbetika ny dada efa nitantana
mandra-pisy nefa ento mody izay iriana
iafiko izay iafiana x2

Partager niriko foana

Commenter niriko foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Diplomates