4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira E e roana - Ny Antsaly

e e roana, e e roana...

e e roana o, o o roana o

totoy tsara ny varinareo, totoy

hofay tsara ny varinareo, hofay



nankaiza ianareo rey lahy

indreto zahay rey lahy

nankaiza ianareo rey lahy

mamboly ny vary rey lahy

alaovy ny angadinareo e

asao ary ny tanimbary o



asao tsara ny tanimbary e asao

- fa ny angady no ampinga o

- handresy mosary o

- e e e roy e

- izao vao vita ny taona o

asao tsara ny tanimbary e asao



nankaiza ianareo ry zavavy o

indreto zahay rey ry lahy

hafoty ny ketsanareo

fa ’zao no fotoam-panetsana



ketsao tsara ny varinareo o ketsao

- aza misy malaina o

- e e e roy e

- izao vao ho vita ny taona o

ketsao tsara ny varinareo o ketsao



jinjao re ny vary ao andrefan-tanana

e e roy e

f’ataovy ao an-tsopitra ka hahavita taona

e e roy e

ataovy ao an-daona ny vary e

totoy amizao re rankizy o



totoy tsara ny varinareo o totoy

- aza misy malaina o

- e e e roy e

- izao vao ho vita ny taona

totoy tsara ny varinareo

Partager e e roana

Commenter e e roana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsaly