4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa am-pelatananao - Elsie

Tsy mahay miresaka aho

Indrindra moa raha Aminao

Ka miangavy mitalaho

Ampianaro ahy Tompo ô ny sitrakao



Ka fisaorana no atao

Noho ny soa ’zay nomenao

Ary hiezaka aho hanao

Izay mendrika hatolotra ho anao



Fa tsy takatry ny saiko

Inona avy moa no ilaiko

F’efa aminao no ankiniko

Ny fiainako, oh!oh!oh! (Aminao)



Na ny lasako hatrizay

Sy ny hoaviko tsy hay

Efa am-pelatananao

Ka n’inona olana hianjady

Tsy hisaraka Aminao



Ny fitiavana indray

Noheveriko ho haiko hatrizay

Nefa raha izay natao

Dia fitia tsy tena mendrika toy ny Anao



Ka fisaorana no atao

Noho ny soa ’zay nomenao

Ary hiezaka aho hanao

Izay mendrika hatolotra ho anao



Ilay fitiavana ato am-po

Enga anie mba tsy ho lo

Mba ho toy ny Anao

Ho ilay fitia mandrakizay. Oh!oh!oh!



Na ny lasako hatrizay

Sy ny hoaviko tsy hay

Efa am-pelatananao

Ka n’inona olana hianjady

Tsy hisaraka Aminao



Ka na oram-pifaliana

Na fotoanam-panahiana

Mbola hiderako Anao

Mba ny soa no hitoetra

Ny ratsy tsy handresy ahy



Tonony sy feony: Elsie

Programmation: Haja Rakotonimanga

Partager efa am-pelatananao

Commenter efa am-pelatananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Elsie