4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa fantatro - Mbolatiana

Ireo anatrao, anatra manitsy

Ny toetrako mba ho mendrika

Tsy  nataonao tamin’ny hafa izany

Fa  tamiko ihany



Fiverenana: Toa tsy mampino raha ianao

                       No tsy hoe efa tia ahy

                       Ny fihetsikao hatramin’izao

                       Toa feno fitiavana

                       Raha tsy saha hilaza ary ianao

                       Satria mety ho menatra miteny

                       Efa fantatro ny ao am-ponao

                       Fa te ho ahy sy ho anilako

Ireo teny mamy nanaitra ny foko

Teny ankolaka rehefa eo anilako

Tsy nataonao tamin’ny hafa izany

fa tamiko ihany



Nefa re ny faniriako dia aleoko ihany

Hiloaka ny vavanao ilay teny mamy

Teny izay hilaza amiko mivantana

Ilay fitiavanao izay tianao mba ho ahy



Tonony: Nary (ZAY)

Feony  : Solofo Ranarivelo

Partager efa fantatro

Commenter efa fantatro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mbolatiana