4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa haiko - Poopy

Izaho tsy miteny
Dia mody tsy mahalala ny ataonao
Kanefa anie ireny rehetra ireny
Nataoko tsy hilàna olana
Dia nangina aho eny e!
Toy ny tsy nahita
Na tratrako aza ianao io indraindray
Mahatsikaiky rehefa hita
Fa toy ny hoe tsy misy afa-tsy izaho iray
   
Eny e! izaho anie mahita
Izay rehetra mbola ataonao
Izany anefa tsy ho entiko migidra
Fa ianao foana no ho sahirana eo
Dia nangina aho eny e!
Mody tsy mahalala
Fa mbola misy hafa anie any
Variana aho fa ianao
Mihevitra ry tiana
F'izaho dia tsy mahay ny alehanao

   ref:Sao heverinao ho adala aho
         Malala tsy mahalala
         Fa izaho mikarakara hanatsara
         Ny any am-para
         Fa raha toa ka hoe mangina aho
         O tiana,aza araraotinao
         Sao tafahoatra lahy
         Fa izaho no mody adala, malala
         Zaho mahalala
         Ampy ho ahy ny fifaliana
         Tsy adala toa anao tiana
         Ireny toetra tsy valina
         Hangina aho
         Sao tsy ho zakanao
         Ny valin'ny ataonao
Zaho anie tsy taitra
Na hita fa tsy laitra izato toetranao
Nangina aho toa revo ery ianao
Mbola mihevitra f'izaho voarebirebinao
Toa mahaontsa eny e!
Ny mijery anao
Mitady lainga tsara lahatra
Isan'andro
Ny famihinao io
Raha mody manontany aho indraindray


Ianao mankàry,zaho mankery
Dia samy mody adala eo isika sy indry
Efa haiko io malala
Ianao koa mahalala
Ny tantara no hitsara rehefa any am-para!

Partager efa haiko

Commenter efa haiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite