4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eto am-baravarankely - Alomà

Eto am-baravarankely

Eto am-baravarankely aho no mitazana
Isan'andro ity ala maitso mavana
Ny voronkely mandalo sy miserana ihany
Tsy afaka hampitony ity foko tomany
Eto am-baravarankely aho no mitsetra
Mitanisa ny momba antsika rehetra
Fitiavana toy ireny hafa rehetra ihany
Na ho ela na ho haingana hisy fiafarany.

Eto aho miezaka hatrany
Hanadino anao ihany
Nefa tsy mety fa mampahatsiaro anao
Eto am-baravarankely.

Eto am-baravarankely aho no mandefa
Ny eritreritro tsy mety anefa
F'izay rehetra atao miantefa any aminao
Tsy laitra fa manjary ahatsiarovako anao.
Eto am-baravarankely aho no misaina
Ny fiarahantsika very maina
Ny orana milatsaka tsy tsaroako ny hatsiaka
Variana loatra aho noho ity tantarantsika.

Partager eto am-baravarankely

Commenter eto am-baravarankely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Alomà