4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Etsy - Hery

Etsy ho tantanako

raha tsy mahatokan-dalana

na matahotahotra

tsy ho tody amin’izay aleha

hofefeko toky ianao

hosakanako tsy handao

ny fahadiovanao



Etsy hoarovako

raha misy sahy misakana

haniry andalana

mieritreritra handray anao

hotazoniko mafy ianao

hosakanako tsy handao

ny fahatsoranao



ref:toa maro ny misakana

     te-hanova ilay fihetsikao

     mendrika

     toa maro ny maniry ny

     hanana ilay fahefana aminao

     hanao izay tiany hatao

     etsy ho tantanako



Etsy ho fatorako

ndrao hisy sahy handrava indray

ilay fitiavana haharitra

tsisy hanelingelina intsony

hofihiniko mafy ianao

ny tanjontsika ho iray

mba ho mandrakizay








Partager etsy

Commenter etsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hery