4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa nahoana - Njila

Raha vao nahita anao aho
Dia fihomehezana toa maneso
No nasetrinao ahy
Ka vahobahotra aho
                        Fa singatsingan'embona
                        No neniko nametsovetso anao
                        Sy hitoetra anatiny
                        Angamba ny faniriany
Fa mieritreritra ny tsy handalo intsony aho
Nataonao vazivazy ireo teny natao
Fa mieritreritra ny tsy handalo intsony aho
Nefa raha fantatrao fa misy tsirim-pitiavana
Atolotro anao (2x)
                        Fa be ireo teniteny mandeha
                        'Zay nampanalasala anao
                        Raha sitrakao odio tsy re
                        Ka ny fonao no ilazao
Fa te-hitoetra anatiny
'Lay foko sanganehana
Menatra tsy fidiny
Fa nihomehezanao
                        Tsy anjarako angamba ny hanery anao
                        Apetraho mba hazava izany teny natao
                        Nefa aza feranao raha tia ny fonao sy ny sainao
                        Fa hampijaly anao

Partager fa nahoana

Commenter fa nahoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite