4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahatsorana - Parson jacques

FAHATSORANA



Tsy haingo mirenty

Na ravaka vaventy

No hahatsara anao

Ahatonga anao ho olom-baovao



Tsy fiolakolam-bolo

No maha olona

Tsy ireo zava-manitra

Manenika ny vatanao



Fa raha izaho ianao

Fahatsorana no kilalao

Dieny izao ataonao

Izay no tena hoe ianao



Fahatsorana tokony ho anananao

Fahatsorana izay no mahatsara anao

Fahatsorana tokony ho anananao

Fahatsorana izay no mahatsara anao



Tsy resaka matavy

Fihetsika lamaody favy

Na hahasarika ahy

Hambabo fo sy fanahy



Tsy fiolakolam-bolo

No maha olona

Tsy ireo zava-manitra

Manenika ny vatanao



Fa raha izaho ianao

Fahatsorana no kilalao

Dieny izao ataonao

Izay no tena hoe ianao



Fahatsorana tokony ho anananao

Fahatsorana izay no mahatsara anao

Fahatsorana tokony ho anananao

Fahatsorana izay no mahatsara anao


Partager fahatsorana

Commenter fahatsorana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Parson jacques