4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahavalo - Da Gasy

                    



                                                                  FAHAVALO

chorus:Rima tokana tsy mba rapy

           Ny vazonay koa tsy ratsy

           Fa raha ialahy no mitady

           Andraso kely azafady

           Fa raha izahay no mikozy

           Tonga ialahy dia overdozy



verse1

rap tsy vazivazy

rap tsy sangisangy

fa raha ialahy no mitady

tsisy miala raha misy ady

tsy vazivazy izany fa tena avy am poko

izahay mitambatra fa tsy mitsotokotoko

ny gasy tsy hovohavidin ela vola

efa hafa ny tamin ny fahagola

satria izahay mirima ho an i Fotsy Mena Maitso

sy ho an izay rehetra miondana HH

aleo aloha hazava ny kozy

fa tsisy hofetsen la eo na dia tsisy aza ny posy

fijaliana ny anay taloha

any am paladia ka hatreny ambony loha

nefa izao efa rap no heno mivoavoa

isika sy ela  samy gasy

ka mitafy lambamena rehefa maty

kanefa misy indro kely tsy mipasy

ela mpamadika izaho mpirapy

raha izao ialahy mijanona any

fa raha miverina tsy handefitra amin la ny tany



verse2

ho an ialahy izay fahavalonay

sy manaratsy ny tanindrazanay

tandremo fotsiny sao tratranay

fa miandry an ialahy ny mandrakizay

de tsy iza izany fa ela izay boysband tsy milay

raha tsy tia rap mandehana mampirehitra kitay

miseho azy ho kofa hikoizana

kanefa vao maheno ny vazonay de vizana

manala baraka tanindrazana

sanatria akory tsy lova avy amin ny razana

fiainanla efa tena rava tanteraka

vavan la fotsiny no reraka

fa ny hiran la efa lanin ny rapy

ka raha vao maheno azy tonga de mitapy

ny vazon la tsy misy miheno

satria manimba sofina sy maneno

ny hiran la aty am paladia

raha mitady hiakatra tonga de mikodiadia

tsy azoko mihitsy ny mbola hiran la eo

ny rap izao no ambony fa ny an ialahy mankaleo

ka tsotra ny kozy tiako hatsipy

aoka izay io ataovy ohatran ny tsy nisy

hanjaran ialahy ny mandinika lalina

fa raha tratranay ela  tsisy halevina





verse3

ny koziko tsy hoe sermon

fa tena passy bonina

ka ho an izay rehetra mandray hanay ho fahavalo

aza matahotra fa efa miala any ilay rima fa tsy kalo

tena rapy ity fa tsy kalokalo

sokafy tsara ny sofina

ny rapy efa mamofona

ialahisany mantsy tsy omby

ka rohasina vao mody

ao ireo namadika tanindrazana

nivarotra tany ngazana

raha boys band ela

miova haingana sao poera

ao ireo manambaka mahantra

ny volanao io tsy mahatonga aiza fa etsy dia tratra

ao ireo mampanantena tsy misy

hoe fidio aho de omeko dix sur dix

izany rehetra izany tsy hoe vazivazy

fa tena kozina bandy gasy

iray sy iray rehefa miady

tsisy antsy tsisy basy

ka izay tsy haiko

fa madagasikara tsy maninona raha amoizako ny aiko









SLAPY D.

Da GAsy club member

Partager fahavalo

Commenter fahavalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Da Gasy