4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faingàna - Telofangady

Faingàna



Eny r’ise fa marina izany

Malala, malala wa, malalan’ny foko

Malala tsy foiko ianao

Toka-po toy ny siny anie aho malala o

O ! o ! Eny veloma ihany zany havako zany ! veloma



Any am-pandehanana any ianao dia hisedra fakam-panahy

Aza adino fa ny havanao, mbola miandry manantena malala

O ! o ! Eny veloma ihany zany havako zany ! veloma



Eny r’ise fa marina izany

Mandalo any Antsianaka any ianao

Hafarako kely

Hitondray makalioka

Anaovako vary maina ho tohan’aina

O ! o ! Eny veloma ihany zany havako zany ! veloma



Eny r’ise fa marina izany

Raha ho any Mandridrano lahy ianao

Etsy hafarako kely !

Hitondray anandrano aho

Tsindriako totokena ketsaketsa

O ! o ! Eny veloma ihany zany havako zany ! veloma



Eny r’ise fa marina izany

Efa ela aho no tsy nahita anao

Mangovitra mila ho potraka

Nahoana ary no mangovitra ?

Mba mila safosafo ny havanao

O ! o ! Eny veloma ihany zany havako zany ! veloma



Eny r’ise fa marina izany

Satria efa nifanaiky izaho sy ianao

Fa ny aina no fetra

Koa faingana malala o !

Fa leo ny matory irery ny havanao

I e tongava ! tongava !

I e Faingàna malala  o

Aza atao somonga re ny fitiavantsika !








Partager faingàna

Commenter faingàna

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Telofangady