4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Falifaly (t.a.g - TIANA ARIS GUY)

              FALIFALY



Falifaly izao ny foko

Faly anilanao Jeso

Ka ny sento sy toloko

Dia nisinda ka nandao

Ravoravo koa ny saiko

Ravoravo nahita Anao

Mpamonjy tokana lalaiko

O! avotra aho izao

           Falifaly (8)



Koa indro ankehitriny

Fa nipoitra ilay masoandro

Nosomparan’ny rahon’iny

Ka tsy mba hitako isanandro

Nahazo hery vao ny tenako

Ka mavitrika aok’izany

Ary tsy mba nanenenako ny niandry Anao hatrany



Fa tanjako Jeso

Fifaliako anie izany

Mamin’ny fo

Fahotàko nosasàny

Nahazo hery vao ny tenako....

Partager falifaly (t.a.g

Commenter falifaly (t.a.g

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TIANA ARIS GUY)