4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverena(mbola tia) - FANIR'SOA

   Miangavy aminao aho

   Miverena raha azo atao

   Mahatsiaro ity foko

   Ary mitalaho no mitoloko

        

             Maninona ary ianao ry fitia

             No mampijaly mafy toy izany

             Olona roa izay mifankatia

             Nefa noravanao hatrany

            



reffrain:

        

      Miverena ianao raha azo atao

      Mbola tia aho,ka miverena ianao

      Ireo safosafo sy ireo tambitamby

      Lasa tsy hita izany,ny aty koa tsy tafandry



                          

            Ireo namana sy fianakaviana

            Nilaozako,nohadinoiko izy ireny

            Fa ianao irery ihany no mba olon-tiana

            Ankehitriny izaho nilaozan’izy ireny

    

    Mbola tia anao anié aho

    Mitady sy miandry,ireo tambitamby

    Eny dia mbola miandry

    Ary tsy ho sasatra ny hiandry

    



                    reffrain:          

Partager miverena(mbola tia)

Commenter miverena(mbola tia)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FANIR'SOA