Rendrarendra ve, sa fifalian'ny masoko
Zay endrika ho levona na felana halazo koa
no hanorenako izany tena fiainako
Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro
Ka na orana hifafy, na ny rivotra koa hifofo
Tsy mba hanan-tahotra aho, tsy hangovitra aho
Satria vato mafy no tena mandam-piainako
Ianao Jesosy irery no tena vato Fehizoro
Eo aminao no tena iraiketako
Hitombo tsara, ho tempoly Masina ao aminao
Mba ho Fonenanao sy Ilay Fanahy Masina
Ianao Jesosy irery no tena vato Fehizoro