4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nenivao - Fefiloha

NENYVAO (FEFILOHA)



BABA

Vao mipaika ny ora, maneno akoho

Olona mbola misalobo damba, I Nenyvao, mamokovoko

Samirery ao anaty aizim-pito mangina,

Haolohaolo mbola tsy misy mpandalo

Ny an-kodiny zara raha mitafy

Ny hatsiaka miaro fanala mitambesatra mafy,

Ny hery tsaika mijapy ao an-damosina ny aroa

Ny voninkazo loloaviana an-tapina loha

Fa ny toratoraky ny mpamosavy koa mety hahavoa

Toraky zany koa, ny roba ny dahalo

Nefa zany tsy naparivo saina an-dramatoa

Hiroso, hizaka ireo halavirana kilometatra telopolo

Manantena ihany, ho tody ihany, Iarivo hatrany



CHORUS

Fiainana, hafa nohon’ny hafa

Misy mizaka anaty na tontolo samihafa

Fiainana, hafa nohon’ny hafa

Faniriany, anaty na tontolo samihafa



MIKA

Indray fa miposaka ny masoandro

Ny sakafo tsy nohanina, mbola tadiaviana ny atoandro

Voninkazo no loloaviny, zazakely no vesarany

Ioh! fifaliany mahita ireto mpandalo maromaro,

Mividy raha sendra ka mahatsiaro

Manontanitany sy miady varotra

Manontany izay mahasoa, amin’ity fiainana sarotra

Nefa ny tsena zara fa mandeha

Ny ankizy mitaraina mitomany fa noana be,

Mbola ho ela vao mody masoandro

Ny lera vao manondro amin’ny roa ambianifolo atoandro



CHORUSx2

RAJOBY

Mivenjivenjy, mikarenjy, mikaremy

Zaza ao an-damosina miantso mafy hoe: noana nono aho Neny

Mivenjivenjy, mikarenjy, mikaremy

Fitadiavana baiko tokana foana no ao an-tsaina Neny



Manga be mikapoka ao amtampon’ny loha

Lavitra ny hanohanana ny ora fisakafohanana

Tapa mofo gasy mba zaka ny eo am-pelatanana

Vaka ny saina, trotraka ny aina

Ny tany maina,

Ny vavaka ao am-po no sakaiza ny taraina

Vitsivitsy ny mpanjifa azo hantenaina

Miezaka mafy hoan’ity sombinaina

Fifaliana isan’andro tsy maninona raha zakaina



Interlude vocal



PAPA

Migaingaina ny hazavana, hotrany afo mandoro

Ny mpokina Iarivo amin’io misavorovoro

Hita hatramin’ny maraina, tsy mitsahatra mitaraina

Ny mason-karena azo zara raha misy alaina

Sahirana i Nenyvao, mibababa hatrany

Ny mpanjifa etsy andaniny miha ambiviny kely ihany

Mikiky ny vatana, ny harerahana mitsiry

Tiany ho voky ny zaza, aleony mizaka ny mangirifiry



CHORUS

Fiainana, hafa nohon’ny hafa

Misy mizaka anaty na tontolo samihafa

Fiainana, hafa nohon’ny hafa

Faniriany, anaty na tontolo samihafa



KOLT

Injay fa re ny anjomara eny am-tampony Faravohitra

Manga be madiva mitakosina amin’ny fara vodilanitra

Manao diha maika Nenyvao, maika hamatsy fifaliana hoan’ny akany, ndry!

Toa adino sahady ny afobe, enina ambinifolo ora androany, ntsoo!

Mahajamba, misafotofoto ny ambany sobika,

Hivimbinana ireo sisa tsy lany, sy izay kely azo tany

Nefa tsinjo sahady ny ampitso fa toraky ny omaly ny androany



CHORUS RAJOBY

Na masikiny io, na manana, tsy misy afa-po ny amin’ny eo am-pelatanana

Mitsikaraka mafy, nandalo fianarana, tsy tafa boaka tena, tsy mahita rirany

Na masikiny io, na manana, tsy misy afa-po ny amin’ny eo am-pelatanana

Mitsikaraka mafy, nandalo fianarana, tsy tafa boaka tena, tsy mahita rirany

Partager nenivao

Commenter nenivao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fefiloha