4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miliaridera - Francis Turbo

Ny andaniny miteny hoe
miarin-doha hono ny toe-karena malagasy e!
Nisondrotra 6.7% hono ny hari-karena faobe e!...
Ny ankilany indray :
hanan-karena daholo hono izay rehetra mahantra eeee!
Ee! Ny tsy fantatro dia
hitombo ve ny kapoa-bary andrahoina amin'izany sa...
Ho foana ny tazo sy ny sida ?
Izaho aloha raha mpanakarena
ka nanana zavatra betsaka homena,
ohatra hoe kaly sy akanjo,
Dia ho sambatra ity firenena
ka i Gasikara ho lasa Edena.
Izany ve tsy nofy atoandro ?

Fiv (in2)
Raha mba izaho no miliaridera,
mpanan-karena, mpanam-bola be!
Raha mba izaho no miliaridera!

Izarako vola isan'andro isan'andro ny 4mi
mba hahafahany miantsena any am-bazary sy eny amin'ny episery!
"Inviter"-ko iavy avy ireo akamako sy ireo havako rehetra.
Fety be foana foana ny fiainako sady tsy ho asiako fetra.
Ny ratsan-tanako dia ho asiako, hofenoiko volamena.
Un million isan'nadro no haparitako, hozaraiko eny an-tsena!
Ireo izay marary ividianako, izaràko fanafody,
Izay tratra hariva hotateriko "gratuitement" rehefa mody!

Fiverenana

Hilatsaka hofidiana "député" na "maire" na filoham-pirenena...
Ny propagandiko hizesitiavako, hampiderako ireo harena
Ireo mpitsara ambony tambitambeziko ividianako raopilanina.
Ireo fahavaloko dia hovereziko, ireo tsy tia dia hodiako fanina!
Hiseho milay aho 'ndeha hitokana...ndeha hitokana zôridira.
Ny vahoaka maro na mitokona, migirevy tsy hoasiako sira!
Mody mivavaka aho no manao asa fanasoavana marobe.
Orinasam-panjakana sy n'anahy tsy koà na mifangaro be.

Fiverenana

'Ndeha hiloka PMU, Seloto, Belôty, Rami, dôôômy...
Ndàààna mahazo!
Tsin tsin!

Partager miliaridera

Commenter miliaridera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Francis Turbo