4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambarao azy - Féli

AMBARAO AZY

Raha toa ianao ka toa ahy
Mpanota tsy mendrika
Nanao zay rehetra tsy tokony hatao
Toa betsala reo ahiahy
Toa maloka ny endrikao
Aza kobonina fa lazao

Réf:Ambarao Azy zay rehetra momba anao
Fa Izy anie efa ela no niandry anao
Ambarao Azy fa mila Azy ianao
Dia ho tsapanao fa hiova ny fiainanao

Any misy olona izay
Tena akaiky anao
Miandry fotsiny ho antsoina
Ka mba vohay ny fonao
Fa Izy miandry anao
Ny fiainanao ho tsara noho izao

Ref:...

Fantatro fa tsy mba izaho
No tokony hilaza aminao ny aminy
(Kanefa tsy mety fa...)
Ny fiainako no toy izao
Tsy noho ny amiko fa avy aminy
Ka Ambarao Azy

Ref:...

Partager ambarao azy

Commenter ambarao azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Féli