4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gadra - Iniah

       gadra

  faly be aho fa mbola nisy nahita

  na dia solafaka aza amin’ny lalina

  tsy hitako intsony izay havaly amin’izany

  fa tena fahasoavana be

  tena vita ny amiko tsy ho avotr’intsony

  ataovy izay mahasoa ny fiainanao

  tsy afak’intsony fa tonga dia vita

  mandrakizay aho no hiaina am-pigadrana eh!



     ref:gadra aho tena gadra aho

         miala ny aiko vao afaka any aho

         very aho tena very aho

         tena latsaka any an-kady nefa tokony hiarina

         gadra aho tena gadra aho

         miala ny aiko vao afaka any aho

         very aho tena very aho

         ny teny any ambony sisa no hiankinana





  tsy nampoziko mihintsy no nidirako tany

  fa endrikendrika tsy misy ohatr’izany

  rehefa tena ambany ianao tsy misy dikany fa  

  voahitsaka amin’ny tampony ambony



      ref:





     dia hionona aho fa tsy anjarako

     ny hanohy ireny nofintsika roa

     hiezaka aho ny hanadino fa tsy hahatsiaro ireny

     nefa mino aho fa mbola hitraka ianao

     hanohy ny fiainana katsahinao

     fa ny lalana niraisantsika dia ho tapitra hatreo



        ref:      

Partager gadra

Commenter gadra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iniah