4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gasikara - Senge

    GASIKARA



Fotsy, maitso, mena

Manambara fa i Gasikara

Gasikara, tiako ianao

        , tiako ianao na toy izao e !

Gasikara, tiako ianao

        , tiako ianao na rovi-damba



Foko maromaro

Samihafa no mifangaro e

Mifanampy tsy mba miady

Hafa ihany ny Malagasy

Mifanampy tsy mifandrafy

Filamatr’io ho an’ny Malagasy



Inoako fa, ianao na lavitra tsy hanadino

Ilay nosy, Gasikara, nihavinao, aza arina

Io izy fa…, aiza ianao amin’ny taninao (mihareraka)

Io izy fa…, rotsidrotika (vonjeo)



Inoako fa, mba tsaroanao ny tantaran’ireo Vazimba

Ilay Nosy Gasikara, noheverinao tsy ho simba

Io izy fa…, ory loatra ny taninao (vonjeo)

Io izy fa…, mila ezaka



Inoako fa, samy te hisaina mafy an’i Gasikara

Zato taona, zanatany, (zanatsaina), mbola io foana

Io izy fa…, inona ary zao no sisa, (malagasy ianao), (mila anao)

Io izy fa…, andao hasandratra (vonjeo)

Io izy fa…, (mihareraka)

     Mahereza’e !



             Album "Arembelo"

                  SENGE

Partager gasikara

Commenter gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Senge