4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjarako - Génération Tia Manandratra

Hatrizay aho ry Ray, tsy nankatoa 'reo anatrao
Fa ninia tsy nandray ny hafatrao
Tsy nomban'ny Fanahy ka diso lalana izao
Ny adalako indro ifonako Aminao

Mamindrà fo amiko; ny heloko ho avelanao
ka ny andro sisako dia ho Anao
Tsy voatanisa raha ny ota vita
Fa variana aho nefa moa te hiova fo.

Amin'izao sisa izao tsy maintsy iankina aminao
K'omeo hery aho Jesoa, hatanjaho
tsy ho lavo aho satria ny teninao no heriko
ho mpitory anao mandrapahafatiko

Fa na inona iseho, na ho mafy izay hanjo
Ka na iza hampitoreo; izaho tsy ho leo
Hiandry foana aho; ilay fotoana
Izay handraisako ilay ANJARAKO


Fa na inona iseho, na ho mafy izay hanjo
Ka na iza hampitoreo; izaho tsy ho leo
Raha hiala ety aho; ho faly ery aho
fa ho any an-danitra mandrakizay

Partager anjarako

Commenter anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Génération Tia Manandratra