4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafa mihintsy - Lola

vao teo ambaravarana aho, nihemotra
toa nisy hery hisintona ahy, hiverina
te handao, mila te hanalavitra anao
tsy te hiara hitafa
toa niova mantsy ny fisainanao

toa lay maham-pinamana no hivadika
andrava fihavanana tsy aharitra
de ho vita eo ve ireo lasa izay tsara taloha
ho hafoy avokoa
diso fihevitra tokoa ny loha

ref: fa raha ny faniriko de ho namanao fona
fitiavana hafa mintsy fa tsy hanaonao fona
kanefa ny ato am-poko de lazaiko
te hitrotra
te handrombaka lay tena fitiavanao

tsy te horatsy imasonao ka nihataka
sao hiova mantsy ny endrikao hangarika ahy
k'ilay tsiky, ireo fahatsiarovana hiova ankahala
nefa izaho no adala
nanaisotra fitia madio hiala

ref:.............

eny marary ho ahy
na mafy aza hiaretako
ny ho namanao
satria tsy foiko ravana

ref:............

Partager hafa mihintsy

Commenter hafa mihintsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite