4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafaliana ho ahy - Ny Mpitory

HAFALIANA HO AHY



Hafaliana ho ahy ny hanoina ny antsonao androany

Raisiko ho hafaliana izany fa mamiko sy teliko

Hafaliana ho ahy ny hanaiky mba ho irakao

Hitondra izay rehetra mety ho hafatrao

Fantatro miharihary fa tsy mandà tokoa Ianao

Tsapako mibaribary ny mbola fitiavanao

Ry Tompo ny famelanao ny heloko

No ahitako izany rehetra izany



Hafaliana ho ahy koa ny mahafantatra eto anio

Fa Ianao ilay nohomboana sy maty noho ny heloko

Tena hafaliana ho ahy ny hitoetra ho mandrakizay

Ny hanolotra izay rehetra tokony ho Anao

Fantatro miharihary fa tsy mandà tokoa Ianao

Tsapako mibaribary ny mbola fitiavanao

Ry Tompo ny famelanao ny heloko

No ahitako izany rehetra izany



Angamba mihoatra lavitra noho ny hafaliako rehetra

Ny fandrenesako ny teny milaza toky mamy hoe

Atolotro ny tenako raha tonga izay hialako ety

ny lanitra no lovako ka ho fonenako

Fantatro miharihary fa tsy mandà tokoa Ianao

Tsapako mibaribary ny mbola fitiavanao

Ry Tompo ny famelanao ny heloko

No ahitako izany rehetra izany




Partager hafaliana ho ahy

Commenter hafaliana ho ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory