4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - NARY ARTHUR



Raha ho any ianao

Handalovy aho

Hilazako teny fohy

Fa rehefa hariva

Dify ‘lay masoandro

Ka maloka ny ety, ety



Dia ianao ry mpandalo iry

Meteza hafarako

Hafarako azy ianao

Dia ianao ry mpandalo iry

Meteza hafarako

Hafarako azy ianao

Fa tsy ho zakako

Ny misento irery

Raha lavitra azy

Ny tenako



Raha ho any ianao

Mba tsarovy aho

Aza tsiny ry mpandalo

Fa vizana aho

Trotrak’irery

Noho ny hanina azy ety



Dia ianao ry mpandalo iry

Meteza hafarako

Hafarako azy ianao

Dia ianao ry mpandalo iry

Meteza hafarako

Hafarako azy ianao

Dia ianao ry mpandalo iry

Meteza hafarako

Hafarako azy ianao

Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARY ARTHUR