4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hanano lakôpy - Lolo sy ny tariny

Fa nisy ny tanàna nilaozan-dehilahy
Ka olo-lava volo sisa
Fa nisy ny tanàna nilaozan-dehilahy
Ka olo-lava nono sisa


   Indray maraina izay
   Nisy olo-marobe nisatro-kolonialy
   Indray maraina izay
   Nanapaka raketa hanaovana ny tady


(Izao ny vadinay
Mianavaratra any mikandra siramamy)bis



   Hanano lakôpy
   Rehefa mody hitondra drala
   Hanano lakôpy
   Rehefa mody hameno vala


Fa nisy lehilahy ndeha hody any an-tanàna
Fa niasa ora maro izy
Fa nisy lehilahy ndeha hody any an-tanàna
Ka nikorintsana ny Siny


    Nefa tany aminy izay
    Navesatra tavoahangy rôma Djamandzar
    Ny vadiny taty nihafy tsy nitafy
    Nijaly namanara


Ny omby tao ambala
An'ny Fanjakana nandoavana latety
Sendra ny vady adala
Mivadika atidoha vady tia fety


    Hanano lakôpy
    Rehefa nody tsy nisy drala
    Hanano lakôpy
    Ka nidify ny vady adala

Partager hanano lakôpy

Commenter hanano lakôpy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite