4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hanina ilay vohi-drazana - Jean ROSSINAH

Azafady mba mivilia,

O! ry voron-tsara dia,

Raha mba sitrakareo

Ny hanala izany toreo,

O! ry voron-tsara dia

Iangaviako re mba avia

F’ any ankoatr’irony havoana,

Takona any nefa tsaroana

’Lay tanàna iray ’zay niaviana

Onenan’ireo havan-tiana .



Veloma ihany hono hoe antsoiny

Ka masina koa fa mbola hihaona soa,

Veloma hono hoe tsy ho mandrakizay

Antsoin’ ilay vitsika momba kitay.



O! ry voron-tsara dia afaka miriaria,

Tsy hoe sangisangv, fa izaho te hamangy

Ilay ankaniko any ho any,

Saingy ny elanelan-tany

No dia efa lavin-doatra,

Ianareo no afa-mihoatra

Dia hitety irony tendrombohitra

Satria re manan’elatra.

Partager hanina ilay vohi-drazana

Commenter hanina ilay vohi-drazana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jean ROSSINAH