4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anao - Haingo

Ianao no iriko mba ho anjarako

Hiaraka aminao no anton’ny fiainako

Satria ianao no any olon-tiako

Hiaraka amiko n’aiza n’aiza misy ahy

Ianao no mamiko,ianao no fitiavako

Raha tsy eo anilanao dia marary ny fanahy

Ianao ilay niriko ,ianao ilay nofinofiko

K’izao ho anao ,ianao koa mba ho ahy



Ho anao mandrakizay

no faniriakoizay

Ho anao mandrakizay

Izay no tiako

Ho anao mandrakizay

Tsy hiala aminao aho

Fa dia ho anao mandrakizay



Dia ho ataoko daholo izay sitrakao

Satria fantatro f’ianao dia tsy hilalao

Fa tena matotra,tsy hoe voafatotra

Ny fitiavantsika sy ianao

Ka dia apetrako eo an-tanan’ny Ray

Ny fitiavantsika mba haharitra

Dia ho feno fifaliana,fiadanana

Na ory isika roa na manana

Partager ho anao

Commenter ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Haingo