4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sisam-pitia - Hery tiana

Manindrona , maharary

Miely any anaty ny ngidy tsy tanty

Toa poizina mahery , mahafaty

Nilofika ifotony

Ilay raozy menan’ny fanantenana

Nitsahana tsy nisy fiantrana



Inona no tsy ampy , inona no nihoatra ?

Fa tojo fiainam-pitia tena mafy

Naninona loatra e!

Voaheloka hisazy , tsy fantatra hoe ahoana !

Angamba voasoratra ho fanalana azy

Mandefitra eny foana e !



REF:Ny nandrandraina ho masoandron’ny hoavy

Nivadika kitroka be nampanavy

Ny sisam-pitia kely tsy lany

No hany tatazana avy any

Ny sento lava manaraka eny ihany

Reraka , resy , ontsa , tomany !



Mihalalina ny maso

Kotsan’alahelo ireo takolaka roa

Ambivitra ny famoizam-po

Raha tonga ny fiantsoana

Handaozana ity tany , tany fijaliana

Ataovy tonon-kira ho rakitra any aoriana e!

Partager sisam-pitia

Commenter sisam-pitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hery tiana