4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manantena - HIRAH

Na na na na.......



Raha lavitra ahy ianao

Ka tsy ho eo anilako

Semban-drahona avokoa

Izay jeren’ny masoko

Nieritreritra ihany aho

Ka dia lasa saina teo

Sao dia tsy mba sitrakao

Ilay fitiavako hatrizay



Any ianao

Efa dila any ho any

Atao ahoana moa fa miandry hatrany



Manantena foana anie aho

Fa ho avy ianao

Ho avy indray

Sasa-miandry anao eto aho

Efa fantatrao

Efa hatramin’izay



Any sisa azo atao

Dia mikalokalo irery

Miaraka amin’ireo akama

Ianao moa no tsy tamana

Hirahira tsotra ihany

Ho an’ireo izay manirery

Izay hirainay ho anao

Ireny rehetra ireny



Any ianao

Efa lasa any ho any

Atao ahoana moa fa miandry hatrany



Manantena foana anie aho

Fa ho avy ianao

Ho avy indray

Sasa-miandry anao eto aho

Efa fantatrao

Efa hatramin’izay



Na na na na na....

Partager manantena

Commenter manantena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRAH