4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao ihany - Njila

Tsy ho sasatra aho miandry anao
Manantena anao ho ahy indray
Na tsy hamiratra aza io masoandro io
Hiandry anao aho, hiandry anao.

Efa mitsilopy ilay faniloko
Hitsenako anao
Alim-be, na hatevim-be aza io aizina io
Hiandry anao aho, hiandry anao.

Raha tonga androany ianao
Ho foana
Ka hisava ilay haizina teo
Ilay haizina
Havaozintsika indray
Ilay fiainantsika teo iny
Diso be mpahafantatra

Ampy izay ny adiady fahiny
Ampangino ny fo tsy hisendaotra
Androany aho dia hiaona aminao
Hibanjina fianambaovao

Zaza tsy mahatokan-dalana aho
Efa zatra notarihinao
Tsy andriko intsony ny ahitana anao
Ampy izay adiady izay

Raha tonga androany ianao
Ho foana
Ka hisava ilay haizina teo
Havaozintsika indray ilay
Fiainantsika teo iny
Nahamenatr'olona

(Hira milay be io de ataovy ntsara ze mihira azy)

Partager ianao ihany

Commenter ianao ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite