4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampy ahy jeso - Imprimerie ADVENTISTE

Fiv : Raha mbola velona aho ka miaina ety,

       Ampy ahy Jeso, ampy ahy Jeso

       Izay no hany faniriako Tompo ô,

       Ny hirakitra am-poko f’ampy ahy Jeso



Andrandraiko anio ny maso hifantoka Aminao

Tsy hijery akory izany ady hanafotr’ahy

Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô

Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso



Tano mafy aho mba hifikitra Aminao

Tsy ahoako izay ho valifatin’ny tsy tia

Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô

Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso



Na ho jamba aza ireo masoko ireo

Ka esorina amiko ny aina sy ny feo

Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô

Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso

Partager ampy ahy jeso

Commenter ampy ahy jeso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imprimerie ADVENTISTE