4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiaro - Isa Roa Telo

Na maloka aza ny andro
Na mibaliaka ny masoandro
’De fantatro fa misy olona, tsy mba manary ahy
Ra tojo fahoriana, Raha sendra fifaliana
De fantatro fa misy azy
Tsy mba manary ahy
Saingy misy fotoana
Izay ahatsapako ny tsy fisianao
Satria ianao lavitra ahy, ka ahatsiaro irery aho

Tsy tapitra hatreo ‘lay fiarahana
Tsy rava maina eo koa, ‘lay fitiavana
Tsy tapitra hatreo ‘lay finamanana
Ho atolotro ho anao ity hira ity
Tsy hanao veloma hoe sanatria
Ho fahatsiarovanao ahy,
Ahatsiarovanao ahy

Tsy sitrapo anie akory
Izany fifandaozana izany
Na dia tiana aza ny iaraka, dia tsy maintsy misaraka
hoe Lavitry ny maso hoe akaiky ny fo
Tsy ahasakana ahy izany, fa izaho dia mbola hitia anao hatrany
Saingy misy fotoana
Izay ahatsapako ny tsy fisianao
Satria ianao lavitra ahy, ka ahatsiaro irery aho

Tsy tapitra hatreo ‘lay fiarahana
Tsy rava maina eo koa, ‘lay fitiavana
Tsy tapitra hatreo ‘lay finamanana
Ho atolotro ho anao ity hira ity
Tsy hanao veloma hoe sanatria
Ho fahatsiarovanao ahy,
Ahatsiarovanao ahy
Manantena aho fa hiverina indray andro any
Manantena aho isika mbola hihaona hifankatia indray

Tsy tapitra hatreo ‘lay fiarahana
Tsy rava maina eo koa, ‘lay fitiavana
Tsy tapitra hatreo ‘lay finamanana
Ho atolotro ho anao ity hira ity
Tsy hanao veloma hoe sanatria
Ho fahatsiarovanao ahy,
Ahatsiarovanao ahy






Partager tsiaro

Commenter tsiaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Isa Roa Telo