4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jeso be indrafo - AMFM

I] Ry Jeso Tompo ô be fitia areno ny dia

’Ty ondrinao dia diso re ka dia nania

Ifonako aminao re ry Tompo ka avelao

Raiso ho anao ’ty foko maloto ka sasao



Fa efa maty aho dia novelominao indray

latsaka am-potaka aho ka dia noraisinao

Diovy hisopa aho ry Tompo ka sasao

Hahaizako miorina eo anilanao



II] He sambatra aho ry Tompo Jeso fa manana anao

Manana anao ’zay tsy mandao ka nanavao

Ny fiainanay ’zay simba sy lao mba havaozinao

Voasasanao ka aina vaovao no hiainako izao



Ry Jeso tompo ô henoy ’zato feoko

Fa be tokoa anie ny ratsy vitako

Esory tsy ho hitanao ny mariky ny otako

Mba omeo ahy re izato indrafonao



                                          

                                           RANDRIANJAKA Brillant de l’ Or

Partager jeso be indrafo

Commenter jeso be indrafo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMFM