4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jeso tompo - Sunrise

Jeso Tompo nitondra ny heloko taty

Nijaly tsy meloka izy

Fo naratra nisento niaritra ireo latsa mba hamonjena anao



Tsy misy hery, fahefana toy izay nentiny

Nefa dia nafoiny mba hanavotra anao

Tsy misy marimpitiavana ambony noho izany

Izay nasehony mba hitiavany anao



Jeso Tompo niantso tsy mahafoy anao

miandry sy manantena izy

Fa tsy ho verivery foana ny ra nalatsany

Lay fony anie feno fitia



Tsy misy hery, fahefana tiy izay nentiny

Nefa dia nafoiny mba hanavotra anao

Tsy misy marimpitiavana ambony noho izany

Izay nasehony mba hitiavany anao

Partager jeso tompo

Commenter jeso tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sunrise