4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jesosy - Bessa sy lola

Jesosy o mino 'zahay (2)
Fa tsy hanao zara vilana
Na fijery mitongilana
No nidinanao tety taona maro lasa izay

   Ka ny fotsy satria fotsy
   Dia notoloranao harenao
   Hanamparany ny heriny (2)
   Ka ny mainty satria mainty
   Dia mangataka izay vao omena
   Kely ihany fa ndrao dia toheriny
   Ny tsy fitovianjo
   
   Fa ry zareo ato avaratra
   Dia nataonao be ambim-bava
   Hisehoana sy izahozahoana
   Aminay ato atsimo
   Izay mandrifotsy lava
   Tsy mba misy ny atokona
   Kanefa tena noana
   Sy kepaka tokoa

Jesosy o mino 'zahay (2)
Fa tsy izany velively
No nidinanal tety
Ka ny noelinay, enga anie
Mba ho noelim-pahasambarana
Satria isambaravarana
Dia tinao hahafantarana
Fa mitovy izahay ety (2)
... Amen

Partager jesosy

Commenter jesosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite