4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditsoky ny ranomaso - Jeedai

Blem, tsisy afaka hanova ny fiainako ho tsisy blem,

Nefa, rehefa ny fiainako radem no sintonina

Na diary 2000 aza tsy antonona

Kanefa ny taona efa 2002

Diary iray monja no ety am-pelatanako

Ka rehefa nosokafan\\’ity tanako,

Dia tsy tanako ny ranomaso

Namaky ilay diary keliko iny.

Fa ny fiainako fahiny mitoetra ho pivahiny

Fa ny takosin\\’ny diary mirakotra ny fisiko,

Ny fahoriana rehetra tsy niriako,

Ny fahadisoako rehetra tsy niniako,

fa ny fisiako mirakotra ny fijaliako

Ary tsy ho tsinjonao satria voatakon\\’ity fitsikitsikiako.

Fa rehefa anaty fiainana voafetra,

Dia mandalo fotsiny ny rehetra

anaty fahoriana tsy misy fetra,

Fifaliana tsy mitoetra

Ka voatery hiady irery amin\\’ny rehetra

Andeha irery eo afovoan\\’ireo sedra

Hamaona ireo zavatra efa lasa

Hiantrehana ny ho avy.

Aiza ilay fahazavana fa ny tomany tsy mety hisava,

Aiza ilay masoandro, masoandro panazava.





Ref: Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso

     Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

     Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso

     Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

     Ditsoky ny ranomaso, difotry ny fahoriana



001 tsy miova loko, fa ny foko hitempo impiry, impiry?

Vao tsapako fa mangirifiry ny fiainako teto an-tany.

Fa efa firy, firy ireo akama tsy tanan’ny tanana

tsy tan-dalana rehefa ny akama no mitoetra

Ao am-pon’ny tsirairay, 4 nefa iray,

Hitoetra mandrakizay doria

Ilay iray no hitoetra mandrakizay

Andrandraina ny fianinana rehetra ny ranomaso no mahaditsoka

Indraindray ny fiainako voarakotry ny peina sy ny liritsoka

Hay soratra nihitsoka taonamaro tao anatin’ny tasitara

Nihitsoka aman-taona ohatran’ny fiainan’ny gasikara,

Nanakatra ny vohitrin’ny Disapara.

Ny paradisa voatantara,

Tantara narafitra akanto to hirindra tsara.

tsara raha toa ka ny fiainako no hikorisarisa,

Kanefa indrisy fa feno disadisa.

tsy havela hikozy ireo maro an’isa

Ka aiza ilay akama hanolotra ny tanany?

Fa aiza no misy ireo tena namana?

namana eny @ lalana.



Ref





Rehefa niafina tao anatiny taona maro

Ireo ranomasom-pijaliana;

rehefa tsy nasiana fepetra ireo andro itomaniana

Dia nasehoko anareo ampahibe maso, ho variana

Ianareo raha oh tantaraiko ny fiainako

Nanatri-maso ny zava-nisy

dia ho ditsoky ny ranomaso koa ianareo, maro tsy voahisa

Ianareo no hiombon-kevitra amiko.

fa rehefa ny fiainako no voahevitra: dia ho ditsoky ny ranomaso

Rehefa fahoriana tsy misy fetra:dia ho ditsoky y ranomaso

rehefa manao jery mitodika ny tantara: dia ho ditsoky ny ranomaso

rehefa mitady ilay fiadanana: dia ho ditsoky ny ranomaso

Ka fiadanana ho an’ireo izay mitady ny paradisa

fiadanana ho any ilay ranomaso farany sisa

fiadanana ho any ilay vohitry ny fahasambarana

fiadanana ho an’ny rehetra,

Fa any angamba vao hifarana ilay ranomaso.

fiadanana ho any rehetra

fa any angamba vao hitoetra ilay mason’ny andro

Any angamba vao hiposaka ilay masoandro, masoandro.



Ref:



Nihtsoka anaty alahelo ny kofa ka nangina

Namalona ny lasa, hiatrehana ny ho avy

Aiza ilay fahazavana fa ny tomany tsy mety hisava.

Fa ny tomany tsy mety hisava,

Aiza ilay masoandro, ilay masoandrom-pahazavana,

Masoandrom-pahazavana

001 no hazavana, 001 Klan no hazavana...







Sample: \"Une enfant\" AZANAVOUR

Prise de son: studio ARC

Mixage: Artesim










Partager ditsoky ny ranomaso

Commenter ditsoky ny ranomaso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeedai