4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho tia indray - JIMMY HARISON

Raha misoritra ato anatiko,ny momba anao

Ho meloka ve aho,raha tia anao

Ireo ratrako tsy foiko,hiantefa any aminao

Nysoa izay ato amiko,ho anao



Ianao no masoandro,mamiratra ato am-poko

Mampianta ny fiainako,ny hafananao

Ny ra atosiky ny foko,mikoriana ho anao

Ny rivotra iainako,fofonao



Ref:

     Ianao no nanova ny saiko

     Ho tia indray

     Ny fitiavanao no aiko

     Izaho sy ianao ho iray



Ny sarinao izay ato an-dohako

Dia tsy irery ianao

Iriko mba hitoetra ao,mandrakizay

Ny sarotra tsy maintsy hosedraina

Fa ho moramora foana

Raha izaho sy ianao.

Partager ho tia indray

Commenter ho tia indray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe JIMMY HARISON