4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anilanao - José sy tahina

raha mbola mitempo, raha mbola mitempo ny fo
dia ho anao, ho anao ry tsy foiko
ny anilanao no vetivetesiko atrany
ny fitiavanao no ambetin-dresako hoe mamy
ry ilay nofinidiko, ianao no efa tiako
hiaradia ka ho dory
ka amin'ity andro ity
de isika roa, hanoron'ilay tokatrano soa
tokatrano soa,lafatra tokoa

na tsiky tomany ianao ihany
ianao no tokako eto antany
ka ninoninona hanjo, dia ianao ianao tokoa
ianao no andry hiankinan'ity fo
na hangidy na mamy ianao ihany
ianao no tokiko eto antany
efa voasoratra fa ianao, ianao no anjarako
fitiavako anao dia tsy mba ho lany

injay fa migadona ilay ora mamy toko
ilay ora sarobidy nandrasantsika roa
k' ilay voady namasinin'ny ray tsy toa
ka ireo havana sy namana hifaly
fa nampifandraisin'ny fo
hitambatra ho iray
ka ho anao ho mandrakizay
ka amin'ity andro ity de isika roa
efa nifanaiky hiezaka toko, hiezaka toko, hizara ny soa

Partager anilanao

Commenter anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe José sy tahina