4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hazavana(2eme version) - Kazar

Iee! Ianao io ve no mba aina

Mamelombelona anay,

Iee! Ianao io ve no mba hery

Mamatopatotra anay,

ref:   Aiza ireo toky

        Nomenao taloha

        Toa tsy hita popoka

        Fa zary lainga?



Iee! Ianao ambony io

Mba hitanao ve ’zahay

Aiza ny hazavana nolazainao

No tsy mba tsinjotsinjonay



Aiza ireo toky

Nomenao taloha

No tsy hita popoka

Fazava-poana ny hery

       Ny toto tsy nahafotsy

       Na hano-tsy nahamasaka

       Kabary ambavahoana

       No voatery hitandrovana anay



Iee! ianao io ve no mba aina

Mamelombelona anay

Aiza Ny hazavana nolazainao

No feno fitaka hatrizao

ref: Aiza ireo toky

      Nomenao talha

      Toa tsy hita popoka?

      Tsy hita popoka!!!

Partager hazavana(2eme version)

Commenter hazavana(2eme version)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kazar