4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faniriako - Kolibera

'Zany foko mba maniry ny fonao (ka tena)

Ka tena fitia (ka tena fitia) fa tsy ho kilalao

(tsy kilalao sanatria)

Tokantranon'ny faniriako ry tiana

Ka ho mandrakizay ny fanambadiana



Falifaly ery ny foko ry lala

Raha mba ianao no tena malala

Midobodoboka mafy fa feno hafaliana

Fa tafaray izao ny tia sy ny tiana



Fa mahery tokoa izany fitia

Ka ho mandrakizay ary ho tena doria

(ho tena doria sombiniaiko)

Tso-drano avy amin'ny ray aman-dreny

(Ho tojo) ho tojo ny fara sy dimby fa efa nekeny



Ravoravo ery izahay miara-dia

Fa miara-dalana fa samy tia

Serintserina ery  fa voa tso-drano

Hahaleo hahalasa amin'ny tokantrano



(Tsy mba nofy ô)

Tsy mba nofinofy intsony izao rahavana

fa dia tena ianao no mitantana ny tanako

(e ! e ! tsy sangisangy) tsy sangisangy fa marina tokoa

ka ny tokantranontsika dia ho tokantrano soa


Partager faniriako

Commenter faniriako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kolibera