4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira La verite - Nabaoh

LA VERITE



Eh ! la !la !la ! Oh ! la ! le (Eoah)

Oh ! la !la !la ! Oh ! la !la le (Eoah)



Kôzikôzy la verite ihany ny anay

Ny tsara no trandrahana hatrany

Kôzikôzy la verite ihany ny anay

Ny soa fianatra ny ratsy loza miantona



Ry vahoaka ambany lanitra e!

Mihaino anay ve ianareo

Misy kôzy kely mba hampitanay

Sao dia mba mahasoa anareo



Raha avilana dia avilana dia io eo ihany

Tonga dia ny marina no potsirina avy hatrany e!



Atsipinay le kôzy! mihaino ianao dia tsara

Atsipinay le kôzy, tsy mihaino ianao dia tsara



Fa mafimafy ihany  ny onjam-piainana

Kôpikôpy ianao e! sao dia serana



Kôzikôzy la verite ihany ny anay……….



Ry vahoaka ambany lanitra e!

Tonga any ve  ny hafatray

Tetika kely diso paika anie no mamarina anao any an-kady

Fahamarinana ihany no hajorontsika

Izany no harahina raha te-ho tafita



Atsipinay le kôzy! mihaino ianao dia tsara

Atsipinay le kôzy, tsy mihaino ianao dia tsara



Raha misy ny hadisoana

Tsy voatery hoe mifona

Ny tsara no tandroina

Mba tsy hisy filavoana



Aferafera maizina, tsy ekenay e!

Famonoana olona, tsy ekenay e!

Ny fitiavan-tena, tsy ekenay e!

Kôzy kôzy la verité no ekenay e!



Asiana fikan’antitra mba ho kôpy ny nandra

Dia ny kôzy hoe: la verité

Ny soa hatao levenam-bola

Ny ratsy hatao loza mihantona



Midika izany fa ny marina tsy maty



’NABAOH

Partager la verite

Commenter la verite

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nabaoh