4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lalana - Man'dam

LALANA!

Misy izy lalan-tany  vato kely sy moellôn

Misy izy rarivato dia misy vita goudrô

Misy koa lalan-kely dia indraindray izy arabe

Andalovan’ny mpandalo: scoubidou, kapa pné



Izay rehetra efa lasa

Teo daholo no nandalo

Nandalo teo izao ry Piera be, ry TGV dia Ravalo

Nandalo teo koa ilay BM, avy nandalo ilay kalesy

Narahina sarety akaiky No-dépassen-ny Mercedes!!



Feno WC public na ery io na ety

Fa tsy nampiova tera-tany

Ambodi-poteau no mipipy!

Lalana feno fitiavana

Angamba ianao izao tsy hino anahy

Ikalasoa avy nibôsy

Teo no zakan’ny vazaha!



Ny alina mamirifiry, ny olona efa lasa nody

Fa ny lalana mifoha feno ireo mpivaro-…tena

Lalana aloha fialam-boly e! n’aiza n’aiza misy anahy

Feno ireo mpanao magie, HABARADZY, HABARADZA!



Dia feno ankizy milalao

Mitabataba sy lanonana

Misy mifanenjika

Mpivarotra sy fivondronana

Tampoka teo nisy horakoraka

Sipa maanja sady bonne

MPANGALATRA E! MPISAM E! OAY! Nanjavona ny phone !



Eny e ! ny eto an-tanàna  ange milay e !

Fa mbola lavitra ny tolona

Raha vao dify ny masoandro,

Ny lalana mody asiana olona!












Partager lalana

Commenter lalana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Man'dam