4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Làlana mankaiza? - Lolo sy ny tariny

Izy tsy mba nifampikitika
Varina toa nifampijery
Ireo izy roa manipitsipika
Mitady làlana fa very   

    Fa làlana,làlana mankaiza
    No mankany amin'ny fitia ?
    Fa làlana,làlana avy aiza
    No tsy mba nandalo tety(2fois)?

Ireo izy roa toa oriory
Lanonana toa malahelo
Nihitsoka tanaty boribory
Kotsakotsa tsy nanana elo

    Fa orana,orana avy aiza
    No manamando izato tany?
    Fa izy roa mba mangetaheta
    Aiza ny làlana mankany?(2fois)   

Avo dia avo ny feony(3fois)
Ka mamangy lanitra

    Fa làlana,làlana mankaiza
    No mankany andanitra any?

Partager làlana mankaiza?

Commenter làlana mankaiza?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite