4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lalatiana - Voninavoko

LALATIANA



Fa zazavavy iray zanaka tantsaha

Mahafatifaty sady mahavariana

Ny anarany dia gasy fa tsy mba vazaha

Tsy iza akory izany fa i Lalatiana



Fa voa jerena kely dia mitsiky mahasondriana

Fa toa mandefa resaka sy bitsika mangina

Toa volana mazava izato endrikao sariaka

Satria ny tsikinao toa masoandro mibaliako



Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza ka halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana ô

Izay rehetra lalovany dia variana



(adaladala)

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria



Na mitafy lamba, na mitena akanjo

Dia hitako fa tsara ny bika sy ny ranjo

Hatramin’ny famindra, hatramin’ny fijoro

Malefaka tokoa ilay kanto zozoro



Ny olona tsy tia dia mangarika manjoy

Izato ianao kosa toa vao maika miangola

Izay hatoninao dia mahazo fifaliana

Izay hilaozanao dia mahita hakivina



Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza ka halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana

Izay rehetra lalovany dia variana



(adaladala)

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria



Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria



VONINAVOKO

Partager lalatiana

Commenter lalatiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voninavoko