4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lamasinina - Lolo sy ny tariny

Lasa aho ry Kaky,veloma ry Neny
F'izaho hamonjy fiara lamasinina
Lamasinina io ry Dada,lamasinina io ry Neny
Avelako eo nareo fa tsy maninona

   Soava dia!(2)
   Reko sihosiho!Reko sihosiho!
   Fa raha mifarana any ity lalamby!
   Reko sihosiho!Reko sihosiho!
   Fa misy tany sambatra sy vola be dia be

Ka tonga aho lehiretsy!(2)
Tonga t@ fiara lamasinina
Hizaha fandrosona!Hizaha fandrosona!
Ny any aminay toa tsinotsinona

   Fa ny aty!Fa ny aty!
   Vola!Rehareha!Vola manepotra mameno ny arabe
   Vola!Rehareha!Izaho tsy mba manana
   Ka (handeha)3 hody aho lehiretsy(2)
   Hody @ fiara lamasinina

Hoavy aho ry Kaky,tsenao aho ry Neny
Ny tanàn-dehibe toa tsinotsinona
Hody @ fiara lamasinina
Ny tanàn-dehibe toa tsinotsinona!

Partager lamasinina

Commenter lamasinina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite