4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy anjarako - LALATIANA

Toa misompatra ny lahatra nanao izay ihaonako aminao
Naleoko mihitsy re tsy ary raha hijaly toy izao
Marobe ireo efa hitako tsy nampiraika ahy akory
Asa loatra fa ianao manjary tsy ahitako tory

Aza ajery ahy intsony ireo masonao ireo
Ataovy koa izay tsy andrenesako, andrenesako lay feo
Lay feonao malefak’iny tsy ho azoko handrotsy ahy
Fa vao mainka koa mandratra ny aty foko sy fanahy

Aleoko izaho mandao anao any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky nefa tsy afaka manantona
Lay lapa soa anananao indro tsinjoko mikatona

Aza ajery ahy intsony ireo masonao ireo
Ataovy koa izay tsy andrenesako, andrenesako lay feo
Lay feonao malefak’iny tsy ho azoko handrotsy ahy
Fa vao mainka koa mandratra ny aty foko sy fanahy

Aleoko izaho mandao anao any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky nefa tsy afaka manantona
Ny hany fantatro dia izao tsy anjarako ianao

Partager tsy anjarako

Commenter tsy anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LALATIANA

Suite