4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asabotsy hariva (hery ralainarivo - Lapé)

Ny asabotsy hariva

Ilay folaka iny ny andro

Dia fihaonana indray

Eo am-bavahady

Miaraka amin’ireo namana

Aman-tsakaiza

Mba hifankahita indray

Fa tapitra ny herinandro.



Efa rera-tsaina

Sy godron’ny fianarana

Ary koa ny asa aman-draharaha

Andavanandro

Dia mifampitaona indray

Eo am-bavahady

Mba hifampitantara

Izay rehetra natao tany.



Ny asabotsy hariva

Eo am-bavahady

Eo indray no mifamory

Ny ankizy eo an-tanàna.



’Reo hirahira

Dia tsy mety adino velively

Fa io no tena mahasarika

Na ny lehibe na ny kely

Mafana ery ny resaka

Tsy mahatsiaro reraka

Fa samy mitangorona eo

Na ny vavy

Na ny lahy.



Ny asabotsy hariva

Eo am-bavahady

Eo indray no mifamory

Ny ankizy eo an-tanàna.

Partager asabotsy hariva (hery ralainarivo

Commenter asabotsy hariva (hery ralainarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lapé)