‘Zay ela izay aho nandao Anao Jesoa
‘Zay ela izay aho tsy nahatsiaro Anao
Fa nanaram-po tamin’izao tontolo izao
Sy ny filibany koa
‘Zay rehetra hita nandramako avokoa
Raha ny adalana dia be no vitako
‘Zay ela izay aho nandao Anao Jesoa
Tsy nahatsiaro Anao
Ankehitriny aho e! ankehitriny re!
Dia efa voavelanao avokoa izao ny heloko
Eny sambatra aho e! eny sambatra aho!
Fa efa sakaizanao mandrakizay Jesoa.