4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy nenina - LEZARD

Tsy mampan’inona

raha izay no tsapanao

tsy vitanao

f’aleko mangina



Tsy misy nenina

na koa afenina

ny aminao

reo zay nataonao



Reo nofinofinao

sy ny ahy koa

toa zary nandalo avokoa

Ekeko fa

ny tia ahy ianao

f’ireo toky izay

mba nomenao ahy

ny molotra ihany



Tsapako ihany fa

mafy izany

kanefa moa

nionona ny fo



Raha nihitalaho sy ny

ho any aminao

tsy mety koa

tsy atao an-doha



Nefa tsarovinao

f’indray andro any

hatsiaro ahy ianao

ka hitomany

izaho amin’izay

tsy anilanao

f’any ambadibadika any ho any



Mitsodrano anao

no any sisa azo atao

fa raha ny amintsika angamba

izay no vita

tena tiako ianao

nefa atao ahoana moa

fitia tsy fanerena ny amintsika roa

ny amintsika 2



Ho an’i E....A

Partager tsy misy nenina

Commenter tsy misy nenina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LEZARD